Batisa Andranotapahina 14 avril 2012

Fotoan-dehibe ho an’ny fiangonana Apokalypsy teo amin’ny rezionaly Antananarivo ny sabata 14 Aprily 2012 lasa teo satria nisy indray ny batisa lehibe niarahana tamin’ny Ray aman-dReny pasitera Mailhol. Hamaky ny tohiny »

Fanokafana ny faha 10 taona ny FAM Toliara

Feno 10 taona tamin’ity taona 2012 ity ny nijoroan’ny fiangonana Apokalypsy tao Toliara. Nisy araka izany ny fivoriam-bavaka lehibe izay notanterahana tany an-toerana.
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny Sabata 24 Martsa 2012 Hamaky ny tohiny »

Batisa teny Andranotapahina 24 febroary 2012

Fotoan-dehibe ho an’ny fiangonana Apokalypsy Antananarivo ny sabata 24 Febroary 2012 lasa teo. Tao aorian’ny kaoferansa lehibe nataon’ny pasitera Mailhol dia maro be ireo  niroso tamin’ny ranon’ny batisa. Tao aorian’ny kaoferansa lehibe izay notanterahina tetsy amin’ny foibe ny fiangonana Apokalypsy Ambodinisotry, dia olona 308 no nanapak’evitra ny hiroso tamin’ny batisa. Hamaky ny tohiny »

Apokalypsy Antohibe Ambohidratrimo

Mitohy hatrany ny fitsidihina pastoraly ataon’ny ray aman-dreny pasitera Mailhol sy ireo delegasiona miaraka aminy. Ny fiangonana Apokalypsy Antohibe Ambohidratrimo indray no novangiany ny sabata 11 Febroary 2012 lasa teo. Hamaky ny tohiny »

Fiangonana Apokalypsy Toamasina

Efa ahitana fiangonana Apokalypsy avokoa amin’ny faritra 22 eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. Tafiditra ao anatin’izany ny faritra Toamasina.

Tamin’ny 12 Desambra 1998 no nanatontosana ny batisa voalohany tao Toamasina. Hamaky ny tohiny »

GFFM (Gideona Fandresana ny Fahantrana eto Madagasikara)

Tao aorian’ny nitsanganan’ny antoko politika izay noforonin’ny pasitera Mailhol dia maro ny fanontaniana manitikitika ny maro. Nisy araka izany ny fihaonan’ny antoko Gideona Fandresena ny Fahantrana eto Madagasikara na GFFM tamin’ny mpanao gazety tamin’ity androany ity. Hamaky ny tohiny »

Taona 2011

Hafatra avy amin’ny pasitera Mailhol ho fiarahabana ny fiangonana sy toromarika (audio) :

Miarahaba antsika nahatratra ity taona vaovao 2012 ity. Enga anie mba samy hahita fahombiazana isika ary mba ho samy hahatafita ity taona ity. Hanomboka ny sabata 07 Janoary ho avy izao ny fifadian-kanina 40 Sabata izay fanaon’ny fiangonana. Hamaky ny tohiny »

Fampianarana apokalypsy eto Madagasikara

Mitohy hatrany ny fampianarana ny boky Apokalypsy izay iarahana amin’i pasitera Mailhol, amin’ireo Radio Fanambarana rehetra eto Madagasikara. Ny herinandro lasa teo no vita ny tantaran’ny fiangonana fito, izay nahafantarana ny toetran’ny fiangonana nanomboka tamin’ny fiangonana apostolika ka hatramin’izao vanim-potoana iainantsika izao. Hamaky ny tohiny »

Fiangonana Itaosy

Isan-tsabata dia misy hatrany ny fiaraha-mivavaka amin’ny fiangonana Apokalypsy rehetra manerana an’i Madagasikara sy ny any ampitan-dranomasina. Raha ny tetsy amin’ny fiangonana Hamaky ny tohiny »

Famaranana ny fanamarihana ny faha 5 taonan’ny fiangonana Alasora

Nofaranana tamin’ny fomba ofisialy ny sabata 03 Desambra 2011 lasa teo ny fanamarihana ny faha dimy taona nijoroan’ny Fiangonana Apokalypsy Alasora. Mialohan’ny fotoam-bavaka dia nisy ny filaharam-be niarahana tamin’ny pasitera Mailhol Hamaky ny tohiny »